Tselatra

    • vendredi, 15 novembre 2019 10:00
    • Sary nindramina

    Haintrano: Nieren-doza ny Lapam-panjakana Iavoloha

    Nirehitra ny trano fivorian'ny miaramila eny Iavoloha ny harivan'ny alakamisy 14 novambra 2019. « Noho ny andro ratsy sy ny kotro-baratra », izay niteraka « fipoahan'ny herinaratra (court circuit) no nahatonga ny firehetan'ny trano », araka ny fanambarana nataon’ny serasera sy fifandraisana eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika. « Trano eo ivelan'ny faritry ny Lapam-panjakana Iavoloha no nirehitra ». « Tsy voakasika izany velively ny Lapam-panjakana Iavoloha sy ny faritrala manodidina », hoy hatrany ny fanambarana. Tonga teny an-toerana ny mpamono afo sy ireo miaramila miara misalahy namono ny afo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 novembre 2019 16:06
    • Sary nindramina

    Gare Routière Maki-Andohatapenaka: Nitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly

    Mitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly amin’ny lalam-pirenena faha-6, faha-4 ary Voalohany. Navoakan’izy ireo ivelan’ny toby fiantsoanana ny fiara androany. Raha ny filazan’ireo mpitatitra dia tsy mety amin’izy ireo ny fepetra napetraky ny mpitantana ny toby fiantsonana sy ny atokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Anisan’ny fepetra vaovao ny hoe: foanana ny « soute » na ilay toerana namboarina manokana hametrahana entana ao ambany fiara ; ferana ho 15kg ny entana azon’ny mpandeha iray entina ary tsy mihoatra ny 80cm ny haavon’ny entana eny ambony fiara. Niray hina tamin’ireo namany nanao fitokonana tetsy Andohatapenaka ihany koa ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ao Mahajanga. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 novembre 2019 15:57

    Antananarivo Renivohitra: Hiadihevitra etsy amin’ny Lapan’ny tanàna indray ireo kandida Ben’ny tanàna

    Fihaonana mivantana fanindroany ity hotanterahina anio tolakandro etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ity, taorian’ny nokarakarain’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny 8 novambra lasa teo. Ny FES (Friedrich-Ebert-Stiftung) no mikarakara ity fampihaonana an’ireo kandida Ben’ny tanàna miisa dimy anio ity, arahina adihevitra.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 23:09
    • Sary nomena

    Toliara: Miandry famatsiana solika

    Lany gazoala ireo toby mpaninjara solika eto Toliara, ankoatranny Jovena ao Sansfil, izay nilaharana nanomboka ny maraina teo. Efa tonga ny sambo mitondra lasantsy 569m3, gazoala 1340m3. Miandry ny famatsiana ireo mpivarotra. Nisy fahatapahana ihany koa ny jiro tamin'ny faritra sasany tamin'ny 12ora30, dia niverina tamin'ny 03ora tolakandro teo ihany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 22:15
    • Sary nindramina

    OMH: Voatendry ho Tale Jeneraly i Jean Baptiste Olivier

    Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra tao Ambohitsorohitra androany 13 novambra 2019 ny fanendrena ny Tale Jeneralin’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures), Jean Baptiste Olivier. Izy no mandimby toerana an’i Laurent Rajaonarivelo, ity farany izay nametra-pialana tamin’ny 29 oktobra 2019. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 22:10

    Fonds Routiers: Voatendry ho mpitantana vonjy maika ny Secrétariat Exécutif Raparson Sarah Lila Ida

    Notendrena ho mpitantana vonjy maika ny Secrétariat Exécutif ny Fonds Routiers Raparson Sarah Lila Ida, mandra-pivalin’ny tolotrasa nalefa amin’ny handraisana izay hisahana ny andraikitry ny Secrétaire Exécutif du Fonds Routiers. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany 13 novambra 2019 ny didim-panjakana fanendrena azy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 22:07
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Mpitondra moto naratra voasaringotry ny sakana fampiasan’ny Zandary mpanao PR

    Vato adino teo Mahatsara, Kaominina ambonivohitr’i Sambava, izay toerana fanaovan'ny Zandary (Police de la Route) fisavana fiara sy moto isaky ny atoandro no nitera-doza io alina io. Nitrosona ilay mpitondra moto, ka naratra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 21:46

    « Iles éparses »: Miisa 5 ireo solontenan’ny fitondrana Malagasy hiatrika ny fifampidinihana amin’ny Frantsay

    Hodinihana amin’ny alatsinainy 18 novambra etsy amin’ny lapa etsy Andafiavaratra, miaraka amin’ny solotenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy (Iles éparses) aty amin’ny ranomasimbe indiana, ka olona miisy dimy no hisolontena ny fitondram-panjakana Malagasy. Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona, izay ahitana an’ny Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny Akademia Malagasy, izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany ; ny Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ; ny Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) ; Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite any Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika. Adidy iaraha-manana no famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny ranomasimbe indiana, ka ilaina ny hanehoana ny firaisam-pirenena hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra androany.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 13:52
    • Sary nomena

    Tana-Masoandro: Miandry ny iraky ny Fanjakana ny mponina Anosivita-Fiombonana

    Vao maraina dia efa vory maro ny mponina ety Anosivita, Kaominina Fiombonana sy ny manodidina hihaona amin'ny iraka avy amin'ny ministeran'ny Fanajariana ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy, miaraka amin'ny teknisianina ny fananantany hanao tombana ny tany sy fitaovana hanaovana ny tetikasa Tana Masoandro. Tazana ety an-toerana ireo sorabaventy tsy manaiky ny hakana ny tanin'izy ireo. Nody very maina anefa fa tsy tonga ireo nandrasana, na fialan-tsiny tsy nisy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 12:55
    • Sary nindramina

    Fanodinkodinana volam-bahoaka: Nidoboka am-ponja ny kandida Ben’ny tanàna iray ao Marosangy- Mananjary

    Niakatra fampanoavana tao Mananjary ny atontan-taratasin’ady mahakasika an’i Samizafy Jean Laurent, Ben’ny tanàna teo aloha tao amin’ny Kaominina Marosangy, Distrikan’i Mananjara, ary kandida IRK amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019 izao. Voarohirohy amina fanodinkodinana volam-bahoaka izy, sy ny Sekretera mpitam-bolan’ny Kaominina. Nivoaka ny didy savaranonando, samy voatazona am-ponja vonjimaika nanomboka omaly izy ireo.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 485