Sport

    • lundi, 18 novembre 2019 16:00
    • Sary nomena

    Stade Omnisport d'Antsiranana: Hovitaina ato anatin’ny enim-bolana

    Mitohy ny asa fanamboarana ny Stade Omnisport d'Antsiranana rehefa nihitsoka nandritra ny dimy taona teo. Nanomboka tamin’ny volana mey 2019 ny asa, ary hovitaina ato anatin’ny enim-bolana, ary ho afaka handraisana lalao iraisam-pirenena. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 novembre 2019 15:06

    Barea: Andeha mivantana TVM manerana ny nosy

    Hita tao amin'ny Pejy facebook n'ny Filoham-pirenena MISY VAHAOLANA NY OLANA REHETRA. ALEFA MIVANTANA TVM NY LALAO ETO MAHAMASINAFantatro ny fitiavan'ny Malagasy ny Barea. Tsapako sy reko ny hetahetan’ny mpankafy baolina kitra Malagasy manerana an'i Madagasikara te hanaraka mivantana ny lalao atao eto amin'ny kianjaben'i Mahamasina iadian'ny Barea sy ny Etopia ny fifanintsanana CAN 2021. Androany tontolo andro dia nitady vahaolana ny tenako sy ny minisitra tomponandraikitra, koa ampifaliana no ilazako etoana amintsika fa hoampitaina mivantana manerana ny Nosy amin'ny alàlan'ny TVM- haino amanjerim-panjakana ny lalao anio eto Mahamasina.ALEFA BAREA Ny Filoha Andry Rajoelina
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 novembre 2019 14:13
    • Sary: Odon Marius Randrianiaina

    Barea an’i Madagasikara: Notolorana ny anjara mari-boninahitra toy ireo namany i Anicet, Njiva ary Metanire

    Natolotra an’i Abel Anicet, Njiva ary Metanire tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny zoma 15 novambra ny mari-boninahi-pirenena «Chevalier de l’Ordre National Malagasy» ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra taona 2019 natao tany Egypta. Ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nanolotra azy ireo izany. Tsy tafaraka tamin’ireo namany sy ny mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, izay efa nandray ny mari-bonahitra tamin’ny 15 jolay 2019 izy telo lahy ireo, satria voatery namonjy ny klioba ilalaovany avy any ampitan-dranomasina vantany vao nifarana ny dian’ny Barea tany Egypta. Nitso-drano ny ekipam-pirenena ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny lalao hatrehin’ny Barea etsy Mahamasina ny sabotsy 16 novambra, hifandona amin’i Ethiopia. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 novembre 2019 10:26
    • Sary nindramina

    Faneva Ima: Manainga ny Malagasy hiray fo sy fanahy amin’ny Barea an’i Madagasikara

    Nanentana ny Malagasy, indrindra ny mpitia baolina kitra i Andriatsima Faneva Ima. Ao amin’ny pejiny facebook no nanaingany ny rehetra « Hiara-hirona eto Mahamasina anio ho an’ity Tanindrazana mamintsika ity ». « Manainga antsika rehetra hitrotro am-bavaka ny mpilalao, hiara-hanohana, ho iray fo sy fanahy », fa « Ny firaisankinantsika rehetra no amboara lehibe ho an’i Madagasikara » ka « Andao atambatra ny hery ho an’i Madagasikara sy Barea », hoy i Faneva Ima, izay manamafy fa « Barea Mandrakizay ! ». Ity lalao anio hifandonan’i Madagasikara sy Etiopia ity, izay hiadiana tapakila hiatrehana ny CAN 2021 no lalao farany hataon’i Faneva Ima ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra na Barea, ka hanaovany veloma ny mpakafy baolina kitra Malagasy sy ho fisaorany ireo rehetra namolavola azy ho tonga mpilalao baolina kitra sy ireo mpiara-milalao taminy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 novembre 2019 10:14

    Kitra - Fifanintsanana CAN 2021: Hahita mivantana amin’ny TVM Antananarivo, « en différé » ho an’ny amin’ny Faritra

    Hotanterahina anio tolakandro amin’ny efatra ora etsy amin’ny Kianja Monisipaly Mahamasina ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila ho amin’ny CAN 2021 hatao any Cameroun, hifanandrinan’i Madagasikara sy Ethiopia. Hitantara mivantana ny lalao ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM), afaka manaraka mivantana ny lalao amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina. Miandry ny fahataperan’ny lalao kosa ireo any amin’ny Faritra vao afaka hahita ny baolina amin’ny TVM, mety any amin’ny valo ora sy sasany alina any. 600 tapitrisa Ariary (150 000 Euros) ny saran’ny fampitana mivantana ny lalao tsy maintsy aloa amin’ny CAF na Kaonfederasiona afrikana amin’ny baolina kitra raha te handefa izany amin’ny fahitalavitra, hoy ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny ORTM.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 novembre 2019 16:21
    • Sary nindramina

    Kianjaben’i Mahamasina: Hovitaina alohan’ny 26 jona 2020 ny asa fanitarana

    Tamin’ny 13 jolay 2019 niverenan’ny Barea an’i Madagasikara an-tanindrazana, taorian’ny dingana lehibe vitany tonga teo amin’ny ampahefadalana tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika andiany faha-19 natao tany Egypta no nanambaran’i Andry Rajoelina, filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, teo Mahamasina ny tetikasa hanatsarana ny kianja monisipalin’i Mahamasina mba hahazaka mpijery hatrany amin’ny 50 000 ka hatramin’ny 60 000 sy hanara-penitra. Raha ny vaovao notaterin’ny gazety mpivoaka isan’andro Midi Madagasikara, androany, dia hatomboka amin’ny volana desambra 2019 io ny fanavaozana sy fanitarana ny kianja monisipaly Mahamasina, ary hovitaina alohan’ny 26 jona 2020 ny asa amin’izany. Tamin’ny taona 1990, nampiantranoan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany fahatelo no nisy asa fanitarana lehibe natao tamin’ity kianja ity, ahafahany mandray mpijery baolina manodidina ny telo alina.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 21:05

    Madagasikara vs Ethiopie: Miandrandra ny handefasan’ny TVM mivantana ny lalao ny mpitia kitra manerana ny Nosy

    Hotanterahina ny tolakandron’ny sabotsy 16 novambra izao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina manomboka amin’ny 4 ora, ny lalao hifandonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Walya Etiopianina. Miandrandra ny handefasan’ny Televiziona Malagasy (TVM) mivantana ny lalao ny mpitia kitra manerana ny Nosy. Mikasika ity lalao ity, dia efa tapitra avokoa ny tapakila ho an’ny « tribune » afovoany sy ny andaniny roa. Ny andron’ny lalao, manomboka amin’ny enina ora maraina kosa ny fivarotana ny karatra ho an’ny eny amin’ny « gradin ».  
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 novembre 2019 09:21
    • Sary nindramina

    Andriatsima Faneva Ima: Hiatrika lalao farany amin’ny Barea sady hanao veloma ny mpakafy kitra Malagasy

    Hamarana ny tantarany ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra i Andriatsima Faneva Ima ny sabotsy 16 novambra 2019, mandritra ny lalao iraisam-pirenena hihaonan’i Barea Madagasikara sy ny Walya Etiopianina hatao eo amin’ny kianja monisipaly Mahamasina Antananarivo. Io no lalao farany handraisany anjara amin’ny Barea ka hisaorany sy hanaovany veloma ireo namolavola azy tamin’ny baolina kitra, ireo mpiara-milalao aminy tao anatin’ny ekipam-pirenena, ireo mpanazatra nifandimby, ny federasionina malagasy ny baolina kitra, ireo mpanohana sy mpankafy baolina kitra malagasy, araka ny taratasy nosoratany omaly. Kapitenin’ny Barea i Andriatsima Faneva Ima, lohalaharana afovoany mitondra ny laharana faha-9 izy. Isany nanamarika ny tantarany tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taona 2019 tany Egypta. Tonga teo amin’ny ampahefa-dalana ny Barea an’i Madagasikara.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 novembre 2019 08:57
    • Sary nindramina

    Marco Ilaimaharitra: An-dranomaso no nivoahany ny kianja, niharan’ny fanavakavahana

    Nanamaloka ny andro faha-14 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Belzika (Pro League) amin’ny diviziona volohany, sokajy A amin’ny baolina kitra, ny horakoraka fanavakavahana, nataon’ny ampahana mpijery, nihatra tamin’i Marco Ilaimaharitra, nandritra ny fihaonan’ny Sporting Club Charleroi klioba ilalaovany sy KV Malines. Niezaka nanazava tamin’ny mpitsara afovoany ny zava-mitranga i Marco Ilaimaharitra. Izy indray no nahazo karatra mavo taorian’izay. An-dranomaso no nivoahan’i Marco Ilaimaharitra ny kianja, namonjy ny efitrano fiomanana naterin’ireo namany. Nirava ady sahala 2 noho 2 ny ekipa roa tonta.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 03 novembre 2019 11:43

    Kitra – Amboaran’ny CAF: Anio ny lalao famerenana RS Berkane sy Fosa Juniors

    Hotanterahina ao amin’ny kianja monisipalin’i Berkane any Maroc ny lalao famerenana eo amin’ny RS Berkane avy any Maroc sy ny Fosa Juniors Madagasikara, amin’ny lalao savaranonando hiadiana ny tapakila hidirana anaty vondrona amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra 2019-2020. Efa manan-tombo an’isa 2 noho 0 ny Fosa Juniors Madagasikara manoloana ny RS Berkane nandritra ny lalao mandroso notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Cnaps Vontovorona tamin’ny 27 oktobra 2019. Ny zoma lasa teo no efa nanomboka nitsapa kianja sy nanao fanazarantena teo amin’ny kianja hilalaovana anio amin’ny 9ora alina, ora eto Madagasikara, ny Fosa Juniors.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 65