Filtrer les éléments par date : mardi, 15 octobre 2019

Tsy mifidy sokajin'olona intsony ity resaka tsy fahandriam-pahalemana ity. Mpanao gazety roa avy namita ny asany, nanara-maso ny fahavitan'ny gazety tany amin'ny trano printy, tamin'ny iray ora maraina ny zoma 11 oktobra lasa teo, no efa nisy roalahy niambina tamin'ny sabatra sy antsy lava.

Vantany vao nijanona ny fiara dia lelan'antsy no teny an-tendan'iray tamin'ireo mpanao gazety, ilay iray efa tafavoaka ny fiara kosa, nisy hafa nipoitra nanambana antsy lava sady nisintona ny kitapo.

Raikitra ny fifanjevoana, voarain'ilay mpanao gazety mbola tao anaty fiara ny antsy, fa lelan'antsy no voarainy, ka dia tatatataka ny tanany, ilay iray kosa nifanjevo tamin'ilay mpanao gazety ilany, ka dia niara-nidaboka tamin'ny tany, ka vaky nandositra ireo mpanafika, fa lasany kosa ny kitapo.

Publié dans Tselatra

Ketraka ny mpanjifan'ny Jirama tety amin'ny Faritra Mahazo raha niomana hikarakara sakafo sy hidio, omaly, fa dia rano maloto no mivoaka amin'ny paompy. Rano fisotro madio, izay no nanaovany famandrihana amin'ny Jirama ary anekenay handoavana faktiora fa tsy rano maloto, hoy ny mpanjifa tety amin'iny ilany atsinanana avaratr'Antananarivo iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Maro sosona ny filazana fisantarana asa taty Ambatondrazaka ny andron’ny 14 oktobra 2019, nifanojo indrindra tamin’ny faha-61 taona nanambarana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ary firenena manana sata Repoblikana.

Harenina ny lalam-pirenena faha-44, ny RN3A eo Manaingazipo, ny lalana mampitohy an’i Feramanga avaratra avy any amin’ny seranam-piaramanidina miazo an’Ambatondrazaka tampon-tanàna. Hatao manarapenitra ny Kianja Rasolonjatovo, hisy fanorenana EPP manarapenitra ihany koa. Eo koa ny fanitarana ny fitrandrahana rano ao Ambodiakondro Ambalavato, hanatsarana ny famatsiana rano eto Ambatondrazaka…

Maro ihany izay filazana fanombohan-javatra natao teto izay, fa ny zava-dehibe aminay, hoy ny mponina eto Ambatondrazaka, dia ny fahavitan’izy ireny satria mendrika ny hahazo fotodrafitra manarapenitra ny aty Alaotra Mangoro, miohatra amin’ny otrikarena ananany, na voly vary izany, na hazandrano, na fiompiana, na harena ankibon’ny tany, na vokatry ny ala, hoy izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Tontosa ny alatsinainy 14 oktobra 2019, nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny faha-61 taona nanambarana fa firenena mahaleotena i Madagasikara ary mitsangana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny Faritra Sofia mpisolo toerana sy ny Governoran’i Sofia, Lylison René de Rolland. Natao tamin’io andro io ihany koa ny fametrahana ofisialy an’ity farany, sady nanamarika ny fandraisany ofisialy ny asany.

Tonga teto Antsohihy, renivohitry ny Faritra Sofia, nanotrona ny lanonana ny minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana Razafimahefa Tianarivelo sy ny minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jean Jacques ary ireo depiote voafidy tato amin’ny faritra Sofia.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hiverina an-tanindrazana anio i Rina Randriamasinoro rehefa avy tany Eorôpa sy Etazonia nihaona tamin’ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany, nampahafantatra azy ireo ny vinam-pampandrosoana ho an’Antananarivo sy ny antom-pirotsahany.

Publié dans Politique

Delestazy ; io no vahiny tonga tsy nasaina nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa ny Antenimieram-pirenena tamin’ity talata 15 oktobra 2019, talata fahatelo amin’ny volana oktobra natokana handinihana sy handaniana ny tetibolam-panjakana.

Publié dans A la Une

Eo anelanelan’ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 desambra ny taona diavina no fandoavan’ny governemantan’ny firenena mpikambana eo anivon’ny Firenena Mikambana ny latsakemboka ho an’io taona diavina io.

0,01% miohatra amin’ny tetibolan’ny Firenena Mikambana ny anjara latsakembok’i Madagasikara, taha izay iraisany amin’ireo firenena andalam-pandrosoana rehetra.

2,4 lavitrisa dôlara ny tetibolan’ny Firenena Mikambana taona 2019. Eo amin’ny 240 000 dôlara ny 0,01% ka 32 000 dôlara no tsy mbola voaloan’i Madagasikara amin'io latsakemboka 2019 io.

Publié dans Politique

Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, no sady Minisitry ny Raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian. Fitsidihana ofisialy ara-pirahalahiana manamarika ny fifandraisana no anton’izao dia izao.

Nihaona avy hatrany tamin’ny Filoha kaomorianina, Azali Assoumani ny delegasiona, ka nifantoka tamin’ny fanamafisana orina ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fifanakalozana mikasika ireo paik’ady entina mampandroso an’i Kaomôro sy i Madagasikara ny dinika.

43 taona izao no nisian’ny fifanarahana ara-diplaomatika teo amin’ny firenena roa tonta ; voalohany kosa izao no misy komity ahitana ny andaniny sy ny ankilany, izay handinika ny lafiny rehetra hahafahana mahita vahaolana amin’ny fampandrosoana miaraka an’i Madagasikara sy i Kaomaro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Mananika ny fahaenina andro androany no miaina anaty haizina ny mponina eto Ambalamanasy, manodidina ny seranam-piaramanidina noho ny fahatapahan’ny jiro.

Misy mpanamboatra lalana manoloana ny seranam-piaramanidina ka manontany ny mponina raha misy ifandraisany amin’io asa lalana io ny fahatapahan’ny jiro eto amin'ny manodidina, ny Jirama milaza isaky ny antsoin’ny mpanjifa fa efa eo ampitadiavana vahaolana izy ireo. Enina andro izao.

Voatohintohina ny asa fihariana manoloana izany, ny fitaintainana amin’ny tsy fandriampahalemana manginy fotsiny, ka manaitra ny tompon'andraikitra ny mponina hamaha ny olana, satria ny faktiora tsy vitan’ny midangana fa voaloan’ny mpanjifa hatrany sy ara-potoana, ka maniry tolotra mifanaraka amin’izany izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
mardi, 15 octobre 2019 11:33

Décret relatif au Gouverneur

Décret relatif au Gouverneur

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2