Ambohibao Antehiroka : Tovovavy sakaizam-bazaha, niharan’ny fanolanana nihatra aman’aina

  • lundi, 05 avril 2021 20:02
  • Sary ZP

Fanairana avy amina olona tsara sitrapo no nanokafan’ny zandary fanadihadiana avy hatrany. Nisy vazaha teratany frantsay, niantso an’ity olon-tsotra ity mba hanampy azy hibata sy hanary faty any Toamasina ny 3 aprily 2021.

Nampiahiahy ilay olona izany antso izany, ka nampandre ny zandary avy hatrany izy.

Tonga teny Ambohibao - Antehiroka Distrika Ambohodratrimo misy ny toeram-ponenan’ilay vazaha ireo mpanao fanadihadiana. Nisokasokatra ny varavarana. Nilaza ilay vazaha fa misy faty ao an-tranony.

Niroso tamin’ny fisavana trano, araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny Fitsarana ny zandary.
Efitrano fatoriana nikorontana, misy dian-drà, ary nahitana “fusil à pompe” miaraka amin’ny bala maromaro no hitan’izy ireo.

Tany anaty fitoeran’entana, efa voafono sy nifatotra no nahitana ny faty. Nisy lavaka teo an-tokontany toa nomanina hanitrihana ilay faty.

Nantsoina ny dokotera avy ao amin’ny CSB II Ambohibao, hanao fitsirihana ny faty. Nilaza ireo fa efa maty telo andro lasa ilay tovovavy, ary niharan’ny herisetra ara-nofo.

Nalefa teny amin’ny “Morgue” HJRA ny faty taorian’izay ary nampandrenesina ny havany ; ilay vazaha kosa nentina tao amin’ny Brigadin’ny zandarimaria Talatamaty natao famotorana.

Nisara-bady ilay vazaha. Manan-janaka roa, samy tsy ampy taona izy ireo. Ny mpampianatra no nanankinana vonjimaika ireo zaza, eo ampikarohana ny renin’izy ireo.

20 taona ilay tovovavy hita faty, sakaizan’ilay vazaha izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.