Mpiadina ho Polisy : Tovolahy iray nanao dia an-tongotra Maintirano-Antananarivo hiatrika fanadinana

  • dimanche, 28 février 2021 19:21
  • Sary : Polisim-pirenena

Tovolahy iray isan’ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho Polisy izay tontosaina ny 27 sy 28 febroary 2021 no nandeha an-tongotra niala avy any Maintirano, Faritra Melaky, ny Alatsinainy 22 Febroary 2021 hamonjy ny foibe fanadinana aty Antananarivo ka nigadona teo amin’ny LMA Ampefiloha ny marainan’ny andro iatrehana fanadinana, ary avy hatrany dia nanatona ny foibe fanadinana niatrika ny taranja natao maraina.

Tonga nanolotra vatsy ho azy sy ho fanampiana azy mandritra ny fotoana hivahinianany eto Antananarivo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa sady nijery ifotony ny fizotry ny fifaninanana.

Nandritra ny fitsidihana nataon’ny Minisitra tao amin’ny LMA Ampefiloha no tonga ilay Tovolahy avy any Maintirano.

Mahatratra 13 607 ny Isan’ireo mpifaninana amin’ny ambaratonga rehetra, mitsinjara amin’ireo foibe fanadinana amin’ireo Faritra 22 manerana ny Nosy.

Mpianatra ho Polisy miisa 1250 no ho raisina amin’ity fifaninana ity ka mpianatra ho Commissaires de Police ny 20, Officiers de Police ny 30, Inspecteurs de Police ny 200, ary Agents de Police ny 1000.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.