Belo sur Mer-Morondava : Zandary iray lavo nandritry ny fifandonana tamin'ny andian-dahalo

  • mercredi, 17 février 2021 11:37
  • Sary ZP

Lavo nandritry ny tranga fifandonana tamin'ny andian-dahalo mitam-piadiana ny Zandary iray miasa ao amin'ny Vondron-tobi-paritry ny Zandarimaria ao Morondava ny 16 febroary 2021 tamin'ny 5 ora maraina tao Antsira Kaominina Belo sur Mer, Distrika Morondava, Faritra Menabe.

Olona roa (vehivavy sy lehilahy) ihany koa no nalain'ireo andian-dahalo natao takalon'aina. Nalain'ireo dahalo ny basin'ilay zandary lavo, saingy azo ihany niaraka tamin'ilay lehilahy takalon'aina iray rehefa nisy ny fanenjehana sy fifandonana lavareny.

Baiko hentitra no nomen'ny Foibe fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena dia ny hanavotana ilay vehivavy takalon'aina iray sy ny hisamborana ireo dahalo nahavita izao loza izao.

Nahetsika avokoa ireo Hery vonjy taitra rehetra manodidina hanao hazalambo any an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.