Ambano-Antsirabe II : Vehivavy iray maty tsy tra-drano voahitsaky ny kubota
- mercredi, 20 janvier 2021 18:50
- Sary Gasypatriote Antsirabe
Vehivavy iray manodidina ny 35 taona any ho any no maty voahitsaky ny kubota tamin'iny lalàna mihazo an'Ambano iny.
Raha ny fanazavana azo dia samy hizotra hihazo an'Antsirabe, na ilay vehivavy, na ilay kubota, saingy nisy bisikileta iray nifanena ka nandona ilay ramatoa nitaingina biskileta hafa ka nampianjera azy tao ambanin'ilay kubota, ary naha voahitsaka ny lohany.
Novonjen'ny olona nentina nihazo ny mpitsabo ihany ilay ramatoa saingy tsy tana ny ainy.
Efa eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana.
Mahazo vahana aty Antsirabe amin'izao fotoana ity karazam-pitanterana kubota ity amin'ny fitaomana biriky, ary olana ho azy ireo ny tsy fahafehezana ny lalanan'ny fifamoivoizana.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
https://sobikamada.com/index.php/vaovao/item/25526-ambano-antsirabe-ii-vehivavy-iray-maty-tsy-tra-drano-voahitsaky-ny-kubota.html#sigProGalleria15e9eec27e
https://sobikamada.com/index.php/vaovao/item/25526-ambano-antsirabe-ii-vehivavy-iray-maty-tsy-tra-drano-voahitsaky-ny-kubota.html#sigProGalleria15e9eec27e
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.