Taom-pambolen-kazo 2021 : Nosantarina tamin’ny famerenana amin'ny laoniny ny alan'i Tsitongambarika

  • mercredi, 20 janvier 2021 18:02

Fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pambolen-kazo 2021 tao Manatantely, Taolagnaro, ny talata 19 janoary 2021 nanamarika ny faharoa taona nandraisan’i Andry Rajoelina ny fitarihana sy fitantanana ny Repoblikan'i Madagasikara.

Tendrombohitra avo dia avo no niakarana, nambolena zanakazo miisa 6 000 fototra ho fanombohana ny asa fanarenana amin'ny laoniny ny alan'i Tsitongambarika, potika noho ny fandripahana sy ny fandorana ny ala.

Ny alan'i Tsitongambarika no misy ireo loharano mamatsy rano an'i Taolagnaro sy lay « cascade » Manatantely izay efa nanomboka nihena be ihany koa.

"Mila miara-mientana isika Malagasy rehetra hanatanterahana ny vina « Madagasikara rakotr’ala ». Ary tsy ampy ny manatsato-kazo fa mila fanaraha-maso sy fikolokoloana ary fiarovana ny hazo volentsika mba tena ho tonga ala", hoy ny Filoham-pirenena.

Ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy dia manohy ny ezaka natomboka tamin'ny 2020, ary nampitombo ho 75 000 ha ny velarana horakofana ala amin'ity 2021 ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.