Toamasina : Ravan’ny zandary ny tambazotra mpanaparitaka vola sandoka

  • mardi, 19 janvier 2021 13:11
  • Sary ZP

Jiolahy mpanao sy mpisera vola sandoka miisa 6 sy ramatoa roa no voasambotry zandary tao antampon-tanàn'i Toamasina ny 18 janoary 2021.

Efa amam-bolana maro no niasan’ity tambazotran-jiolahy mpanao sy manaparitaka vola sandoka ity tamin'iny faritra Antsinanana iny vao izao sarona izao.

Teo Barikadimy no sarona ny iray tamin'ireo jiolahy niaraka tamin'ny lelavola sandoka 20 000 Ariary miisa 750 izay mitotaly 15 000 000 Ariary. Taorian'ny famotorana azy no nanaborahany ireo mpiray tambazotra aminy, ka vehivavy roa sy jiolahy dimy hafa no voasambotra tsirairay tamin'ny toerana samihafa tao Toamasina.

Anatin’ny famotorana azy ireo ny Zandarimaria amin’izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.