Tarandy – Amboasary Atsimo : Polisy miisa roa naratra mafy voan'ny balan'ireo dahalo

  • mardi, 19 janvier 2021 13:10
  • Sary : Polisim-pirenena

Nisy fanafihan-dahalo nitranga tao Tarandy Kaominina ambonivohitra Amboasary Atsimo omaly Alatsinainy 18 janoary 2021. Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy ao Amboasary Atsimo vao nahazo antso avy amin'ny Fokonolona. Dahalo anefa no nitsena sy nanao tifitra variraraka azy ireo.

Polisy roa no naratra mafy vokatr'izay, ka ny iray voan'ny bala teo ambanin'ny fony, ary ny iray hafa kosa dia nivoaka teo amin'ny lamosiny ny bala.

Tonga tany an-toerana ny Minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka nijery sy nikarakara ireo Polisy naratra, ary nanome baiko hisambotra faran'izay malaky ireo dahalo ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.