Ampihaviana-Antsirabe : Potika ilay fiara kely 205 GTI, vokatry ny fandehanana mafy

  • lundi, 18 janvier 2021 11:01
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Fiara Peugeot 205 GTI iray no nifatratra tamin’ny andrin’ireny tambazotram-pifandraisana ireny ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady tokony ho tamin’ny 2 maraina tany ho any, teo Ampihaviana-Antsirabe.

Mafy ny dona ka nipitika any amin’ny 15 metatra any ilay fiara kely ary nivadibadika raha ny fahitana ny fahavoazana aminy.

Naratra mafy avokoa ireo olona tao anatiny raha ny filazan’ireo nanatri-maso, saingy tsy voafaritra mazava ny isany.

Mpitari-posy iray no nijoro vavolombelona fa hitany nivezivezy eran’Antsirabe ity fiarakely ity nanomboka tany amin’ny 11 ora alina tany ny sabotsy, ka lehilahy rasta no namily ny fiara niaraka tamina vehivavy vitsivitsy tao anatiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.