Betsiaka : Mangataka hitrandraka volamena ny mponina

  • vendredi, 15 janvier 2021 11:31
  • Sary : Rainer Dolch

Ny 8 janoary lasa teo no nanatanteraka fivoriam-be farany narahina fanaovan-tsonia ny mponina any Betsiaka Ambilobe.

Mangataka amin’ny fanjakana sy ny ONG Fanamby izy ireo hitrandraka volamena any amin’ny toerana tsy lavitry ny faritra arovana Andrafiamena Andavakoera.

Tany mangadihady izy io, fa ny ala fady izay ao anatin’ny faritra arovana tantanin’ny ONG Fanamby kosa dia eo amin’ny 500 metatra miala eo no misy azy.

Manankarena zavamaniry sy biby tsy fahita firy izany ala izany ka mahasarotiny ny fitondrana ny fiarovana azy.
Nirongatra be ny fitrandrahana volemana manakaiky izany faritra arovana izany ny volana desambra teo.
An-jatony aman’arivony ny mpitrandraka madinika nirohotra tany.

Nandefa miaramila sy zandary ary polisy ny fitondram-panjakana nandroaka azy ireo.

Nisy tamin’izy ireo ihany koa anefa no nangalatra nitrandraka an-tsokosoko rehefa alina ny andro.
Tafiditra ao anatin’ny faritra trandrahan’ny orinasam-panjakana KRAOMA i Betsiaka.

Tsy mbola teraka akory ny mpitondra ankehitriny no efa nisy fitrandrahana volamena tao amin’izany toerana izany, hoy ny olona iray mahalala tsara ny tantara.

Tany manankarena volamena tokoa satria dia misy mahazo hatrany amin’ny 1,5 grama ny olona iray mandritra ny andro.
Ireo mpanefoefo miray tendro amin’ny mpitondra ambony hatrany no saika ao ambadiky ny fitrandrahana volamena any Betsiaka, araka ny fantatra.

Azo sary an-tsaina amin’izany fa tsy maintsy misy volamena avy any an-toerana ireo miondrana an-tsokosoko toy ilay milanja 73,5 kilao tra-tehaka tatsy Afrika Atsimo iny.

Miainga avy any amin’ny mpitrandraka madinika, mandalo ny mpanelanelana ary miafara any amin’ny mpandrendrika ny volamena, hoy Rakotomanga Rinah, talen’ny serasera eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Mbola izy ihany no nilaza fa ao ambadik’ireny mpandrendrika ireny ny mpanefoefo ny mpanondrana ny vokatra any ivelany.

Raha ny any Ambilobe dia sandaina 115 000-120 000 ariary ny iray grama amin’ny volamena.

Balita Raharisoa

(Sary : Rainer Dolch)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.