Mpifindra monina : Mpandeha niisa 285 najanon'ny fiara nitondra azy ireo teo Kelivondraka

  • vendredi, 15 janvier 2021 09:48

Mpifindra monina avy any Amboasary Atsimo sy Ambovombe Androy mitotaly 285, nahitana ankizy 75, vehivavy 42, lehilahy 168, no tafajanona teo Kelivondraka, amin'ny sampanan'ny RN13 sy RN7 ny 12 janoary 2021 teo.

Nandositra ny haintany sy hanoanana any atsimo izy ireo, ka najanon'ny fiara nitondra azy ireo teo, fa hafindra amina fiara hafa.

Nandray andraikitra ho fanampiana azy ireo ny Goverinoran'ny faritra Ihorombe, niaraka tamin'ny Talem-paritry ny mponina, ny lehiben'ny Zandary tao an-toerana nanolotra sakafo miampy ny trano lay iray lehibe an'ny BNGRC nialofan’izy ireo.

Afaka niainga ny 13 janoary 2021 folak'andro ny ampahany voalohany, ary omaly atoandro no niainga tao Ihosy ny 130 andiany farany tamin'izy ireo hiazo an’Antananarivo.

Nanambara ny Governora fa tsy azo ekena intsony ny fanaovana “transbordement” toy izao ao Ihorombe, fa tsy maintsy ataon'ireo mpitatitra tonga hatrany any amin'izay toerana hitodiany ny mpandeha entiny, mba hitandrovana ny fahasalamana sy ny fandriampahalemana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.