Toamasina : Tovovavy nitambotsitra tampoka tao anaty efitrano iatrehany bakalôrea

  • mardi, 20 octobre 2020 13:02
  • Sary : Polisim-pirenena

Tsy fahampiana « calcium » miampy sohika (asthme) izay efa nitaiza azy, no voalaza fa nitarika tsy fahasalamana tampoka nahazo an’ity tovovavy ity.

Izy efa tao anaty efitrano fanadinana bakalôrea no nitambotsotra tampoka izy, raha hiatrika ny taranja matematika androany maraina.

Vao nahita izany ny tompon’andraikitra sy ireo Polisy vavy teo an-toerana dia nifarimbona namonjy azy haingana ka nitondra ilay tovovavy tamin'ny fiara tany amin'ny dokotera.

Nilaza ilay tovovavy fa vonona hanohy ny fanadinana rehefa nahazo hery ka naterin'ireto Polisy vavy tao amin'ny tranom-panadinana.

Bakalôrea ankapobeny, sokajy D no misy azy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.