Nanolana zazalahy kely : Tovolahy iray, 26 taona, nidoboka any Tsiafahy

  • lundi, 12 octobre 2020 19:04
  • Loharanom-baovao : ZP

Nidoboka any Tsiafahy ilay tovolahy, 26 taona, tratra nanolana, nanao fanararaotana ara-nofo sy ara-tsaina ary nanaparitaka sary mirakitra izany tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook rehefa natolotra ny Fampanoavana Antananarivo ny 12 oktobra 2020, taorian’ny fanadihadiana nataon'ny sampana miady amin'ny fandikan-dalàna an'habakabaka an'ny Zandarimaria.

Anisan'ny vesatra nanenjehana azy ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo zaza tsy ampy taona ; famoronana sy fanaparitahana sary mamoafady maneho zaza tsy ampy taona ; fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka.

Tsy manana rohim-pihavanana amin'ilay zaza ity tovolahy ity fa mpifanolo-bodirindrina aminy.

Manaraka fitsaboana sahaza azy ilay zaza araka ny toromariky ny mpitsabo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.