Alasora – Antananarivo Avaradrano: Tra-tehaky ny Polisy ireo jiolahy namono olona hamonjy fodiana

  • vendredi, 09 octobre 2020 14:38
  • Loharanom-baovao: Polisim-pirenena

Lehilahy iray tratra alina nitondra moto hody eny Alasora no nendahin’ny andian-jiolahy nitondra zava-maranitra sy kibay ka tsy namelan'ireto farany raha tsy maty ilay tovolahy.

Noentin'izy ireo nitsoaka ilay moto saingy nifanena tamin'ny Polisy nanao fisafoana ilay jiolahy nitondra izany ka voasakana.

Tsikaritr'ireo Polisy fa nisy ra ilay moto ka avy hatrany dia notazonina ity lehihahy, ary natao ny fikarohana ny manodidina.

Hita tsy lavitra teo, tao anaty lobolobo ny fatin'ilay lehilahy tompona moto.

Niaiky ny heloka nataony ilay lehilahy tratra raha vao hita ny fatin'ilay olona novonoin'izy ireo.
Tsy nijanona hatreo ny famotorana fa nitohy hatrany ka tra-tehaky ny Polisy ihany koa ny lehilahy miisa roa niaraka nanao ilay asa ratsy tamin'izy ireo.

Fantatra tamin'izany fa efa mpanao fanafihana amin'iny faritra iny izy telo lahy ireto, ary efa maro no nitondra faisana tamin'ny nataon'izy ireo.

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireto olon-dratsy taorian’ny nanolorana azy ireo ny Fitsarana Anosy – Antananarivo.

(Loharanom-baovao: Polisim-pirenena)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.