Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: Hapetraka any atsimo ny « Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale »

  • jeudi, 08 octobre 2020 21:35

Hisy “Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale” na Toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana hapetraka ao Ambovombe, Tsihombe, Ampanihy, Beloha ary Amboasary Atsimo.

Tetikasa fohy ezaka natao hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo izy ity. « Banque alimentaire », dokotera mpitsabo, fanomezana sakafo ara-pahasalamana, fanafody fitsaboana hanarenana ara-tsakafo.

Ny 22 Oktobra izao no tsy maintsy mipetraka ireo toerana fandraisana ireo mponina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Hisy ny tetikasa antenanten’ezaka hamaritana ny toerana hamindrana ireo mponina sy hametrahana ireo tetikasa rehetra.

Hisy ny fametrahana toerana fanofanana amin’ny fambolena sy fiompiana, ny fametrahana sekoly ho an’ireo zaza, ary ny fametrahana toeram-pitsaboana CSB2 any amin’ireo faritra voalaza ireo hanara-maso ny fahasalaman’ireo mponina nahavita ny fanarenana ara-tsakafo eny anivon’ireo Toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana.

Tetikasa lavitr’ezaka ny fametrahana ozinina mpamokatra rano fisotro ho an’ny mponina, sy ozinina mpamokatra sakafo azo ahodina (Vovo-katsaka, Raketa mena, Aloès,…), fametrahana toeram-pambolena voatokana hamokarana vokatra anaty “serre” ho an’ireo mponina hampanatonina ny faritra manakaiky ireo renirano (Relocalisation et Serre), fanapariahana ireo fiompiana osy, fametrahana sy fanatsarana ireo fantsona mitondra rano fisotro madio sy rano azo hambolena hoan’ny mponina, fanentanana sy fikarakarana ny olona amin’ny fandrindram-piterahana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.