By Pass: Lehilahy nitaingina bisikilety handeha hiasa maraina, maty nofaohin’ny taxibe
- mercredi, 07 octobre 2020 21:54
- Sary nindramina
Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana iray nitaingina bisikilety, handeha hiasa androany maraina, nofaohin’ny taxibe manao zotra Ambohimangakely – Ankadimbahoaka.
Teny amin’ny lalana By Pass - Antananarivo, misy ireo mpikirakira vato, atsimon’ny Domaine Alasora no niseho ny loza.
Nasaina nesorina haingana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny faty, fa handalo eo ny fiara mitondra ny filoham-pirenena hiazo ny lapam-panjakana Iavoloha.
Nakisaka nankeo an-tsisindalana ilay faty, avy eo dia ny fiara fitondrana marary an’ny Kaominina Alasora no naka azy teo.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.