Andranovao - Itampolo: Voasambotra ireo roalahy mpanao varo-maizina sokatra

  • mardi, 06 octobre 2020 10:22
  • Sary: ZP

Lehilahy roa mpanao varo-maizina sy mpamono sokatra radiata no tra-tehaky ny Zandary sy ny Fokonolona ary ny mpiasan'ny Madagascar National Park, tao Andranovao Kaominina Itampolo, Faritra Atsimo andrefana, ny alin'ny 26 septambra 2020.

Sokatra radiata miisa 19 no efa voaangon’izy ireo.

Natolotra ny Fitsarana izy roalahy ireo taorian’ny famotorana, ary tazomina amponja vonjimaika. Nomena ny tompon'andraikitry ny ala koa ireo sokatra miisa 19 mba ho averina any amin'ny toeram-ponenana tokony hisy azy.

Anisan'ny biby arovana ny sokatra "Radiata" noho izy atahorana ho lany taranaka, ka tsy azo vonoina na amidy na fehezina ao anatin'ny toerana tsy voatokana ho azy. Ny fandikàna izany lalàna izany dia mahavoasazy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.