Ampasina Maningory: Lehilahy iray maty namono tena rehefa nahiahiana ho nangalatra mangahazo

  • lundi, 05 octobre 2020 16:59
  • Sary: ZP

Lehilahy iray no nananton-tena tamin'ny tady tany anaty sahan-jirofo. Ny marainan’ny 3 oktobra 2020 no nahitana azy efa tsy nisy aina.

Nisy dian-tady ny tendany, ary nivoaka rà ny orony tamin’ny fotoana nahitan’ny zanany lahy azy. Ity farany no nanaitra ny fianakaviany sy ny Fokonolona.

Tonga nanao fitsirihina ny faty ny dokotera avy ao amin’ny CSB II Ampasina Maningory. Tamin’izany no nilazan’ity farany fa tombanana ho ny fiandohan’ny tolakandron’ny 2 oktobra 2020 no nialan’ny ain’ilay lehilahy maty namono tena ity.

Nalain’ny fianakaviana ny vatana mangatsiaka taorian’ny fizahana natao, teo anatrehan’ny Zandary sy ny mpitondra ny tanàna.

Tao Marolambo, tanàna 1 km avaratr’Ambatodingana Fokontrany Marotrano, Kaominina Ampasina Maningory Sud, Distrika Fenoarivo Atsinanana no nitrangan’ity famonoan-tena ity.

Nahiahiana amina halatra mangahazo ity lehilahy ity, ka izay no tombanana ho nitarika ny famonoan-tenany.

39 taona ilay lehilahy, ary manan-janaka roa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.