Arivonimamo: Mpandeha « Taxi Moto » ihany no nivadika ho mpanendaka nony teny ampandehanana

  • lundi, 05 octobre 2020 16:16
  • Sary: ZP

Mpitondra « Taxi moto » iray monina any Amboanana Distrika Arivonimamo, Faritra Itasy, no voahendaka niaraka tamin’ny moto nentiny, ny tolakandron’ny Alakamisy 01 oktobra 2020.

Tovolahy noentiny ihany no nanendaka azy teny an-dalàna.
Teto Arivonimamo no nifanaraka izy ireo ary nilaza ireto olona ireto fa hamonjy fahoriana any Amboanana.

Telo lahy ireo olon-dratsy, ka ireo roa lahy namany dia nanaraka tamin'ny moto avy ato aoriana.

Nolakon'io jiolahy io tamin'ny « matraque » ilay mpitondra « taxi moto » nony tonga tao amin’ny toerana atao hoe : Ambohimahavony Distrika Arivonimamo ka torana tsy nahatsiaro tena ka lasan'ilay jiolahy ny moto.

Olona hafa mitondra moto handeha hody no nahita ilay mpitondra « taxi moto » torana ka nampandre avy hatrany ny Zandary teo amin’ny « Poste Fixe » Alakamisikely.

Nifanenjehana ireo olon-dratsy. Voasambotra ilay jiolahy ary efa azo koa ny moto. Tafaporitsaka kosa ireo roalahy namany ary karohina amin’izao.

Ny Zandary avy amin’ny tombi-paritra Arivonimamo no manao ny fikarohana sy ny famotorana ny raharaha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.