Mahasoa Nord – Andonaka (RN7): Zaza iray maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao

  • dimanche, 04 octobre 2020 19:27
  • Sary: ZP

Sarety tarihin’omby nitondra lehilahy iray sy ny zanany lahy, 10 taona, no nohosen’ny kamiao iray tao anaty tetezana tao Mahasoa Nord, Kaominina Andonaka, Distrika Ambalavao ny marainan’ny 3 oktobra 2020.

Ratsy hisatra ilay kamiao, ka tsy tafajanona raha tsy nandona ilay sarety. Nipitika tany anaty rano ilay sarety. Lavo ary voahosin’ny kodiarana aorian’ilay kamiao teo amin’ny lohany ilay zazalahy 10 taona, ary maty tsy tra-drano. Naratra mafy ny rainy.

Tery tao ambany kamiao ihany koa ny omby iray, ary maty.

Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Zandary, nifarimbonan’ny avy amin’ny kaompania sy ny Brigady Ambalavao ary ny Poste Avancé Andonaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.