Mahasoabe - Vohipeno: Tovovavy iray saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

  • dimanche, 04 octobre 2020 18:09
  • Sary: ZP

Tovovavy iray nahiahiana ho nangalatra entana samihafa sy naka ankeriny zazavavy kely, 6 taona, no voasambotry ny fokonolona ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Mahasoabe, Distrika Vohipeno ny 30 septambra 2020.

Tonga ara-potoana ny Zandary, nisakana tsy hisian’ny fitsaram-bahoaka, izay voararan’ny lalàna rahateo.
Notazomina tao amin’ny brigadin’i Vohipeno natao famotorana ilay tovovavy, mialoha ny hanolorana azy ny Fitsarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.