Kaominina ambonivohitr'i Brickaville: Miandrandra fivoarana sy fandrosoana hatramin'ny ela ny mponina

  • dimanche, 04 octobre 2020 16:39
  • Sary nomena

Dingana mankany amin'izany hoy ny Governora RAFIDISON Richard Théodore ny fanatsarana endrika ny tanàna, amin'ny alàlan'ny fanatsarana ny làlana mba ialàna amin'ny fotaka.

Misy ifandraisany amin'ny "projet présidentiel" kianja manara-penitra PAUL BE efa andalam-pamitana koa, hoy Andriamatoa Governora, ny tetikasan-dàlana manodidina ny 01km tanterahin'ny faritra Atsinanana. Satria io làlana io, sy ny iray hafa mbola hamboarina any aoriana, no hanamora ny fidirana ao amin'io kianja io, na avy any amin'ny làlam-pirenena faha-2 na avy any antampon-tànana.

Taorian'ny fandalovan'ny Governora nitsidika nizaha ny fizotry ny asa ny 27 septambra lasa teo, dia efa am-pamaranana ny asa ny orin'asa manao izany amin'izao fotoana izao. Izany hoe tokony hifanindran-dàlana ny fahavitan'ny làlana sy ny kianja manara-penitra PAUL BE.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.