Ambatoloana Manjakandriana: Mpandeha 9 naratra mafy, montsana ny fiara

  • samedi, 03 octobre 2020 14:13
  • Sary nindramina

“Ahoana no hataoko manoloana izao loza izao ? Ao anatin’ny tsy fananam-bola mihitsy aho izao. Izaho no tompon’ny fiara”, hoy ity lehilahy iray rehefa teo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza ny zoma 2oktobra tamin’ny 3 ora tolakandro.

Fiara Sprinter mpitatitr’olona niainga tany Fenoarivo Atsinanana ny alakamisy hariva no nandona ny vodin’ny fiarabe (porte-char) nijanona amoron-dalana tao Ambatoloana Manjakandriana ny zoma tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo.

Mpandeha miisa 9 no fantatra fa naratra mafy, ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana.

Montsana tanteraka noho ny hamafin’ny dona ny fiara nandehanan’izy ireo ary mbola hita miparitaka ny voandalan’ny mpandeha sy ny tavoahangy misy ranom-boakazo nosotroina teny an-dalana mbamin’ny ampahan’entana.

“Tsy misy fahadisoan’ilay fiarabe mihitsy. Nalalaka tsara ny lalana saingy nandeha mafy loatra io Sprinter io”, hoy ny raim-pianakaviana iray mipetraka eo akaiky eo.

Sahirana ara-bola noho ny nafitsoky ny fihibohana ny tompon’ny fiara kinanjo dia izao niharam-boina izao ny fananana fotoana fohy monja taorian’ny fisokafan’ny lalana ka nahafahana niverina nitady vola indray.

“Angamba tsy mbola mahafehy ny familiana loatra ilay zazalahy mpamily. Somary mbola boay kely izay ihany mantsy izy”, hoy ny fanamarihan’ny nanatri-maso.
Nanadino lesona noho ny halavan’ny fihibohana angamba ny mpamily amin’ny zotra nasionaly.

Ny talata tolak’andro teo ihany koa mantsy dia nisy fiara Sprinter nitondra mpandeha avy any Ambatondrazaka latsaka an-tatatra tao Ambohimalaza noho ny fandehanana mafy.

Mety ho nikararana ny faty olona raha sanatria tany amin’ny toerana misy hantsana na hady no nifatrarany.

Manao izay ho afany ny ao amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana.
Rehefa ho avy anefa ny loza na ny patsa iray aza, hono, tsy omby vava.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.