Antsahalava – Antanifotsy: Maty novonoin-drangahy noho ny hasarotam-piaro ny vadiny

  • vendredi, 02 octobre 2020 10:17
  • Sary: ZP

Sendra alim-podiana tsy fidiny tamin'ny toerana nalehany ity vehivavy iray. Herisetra niafara tamin’ny fandatsahan’aina no nasetrin-drangahy vadiny azy.

Tao Amorona Kaominina Antsahalava any amin’ny Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra, no niseho ity vono olona ity ny 24 septambra 2020 lasa teo.

Vao 28 taona monja ilay nahavanon-doza, noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra.

Maty teny an-dalana hamonjy toeram-pitsaboana, ilay vehivavy vokatry ny ratra nahazo azy.

Voasambotry ny Zandary ilay lehilahy na efa niomana ny hitsoaka aza.

Natolotra ny Fampanoavana ny 29 septambra 2020 izy ka voatazona vonjimaika ao amin'ny fonja Ambatolampy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.