Nosy Be: Mpizahatany 114 nentin’ny fiaramanidin’ny Ethiopian Airlines

  • jeudi, 01 octobre 2020 17:05
  • Sary nindramina

Nisokatra androany ny lanitr’i Madagasikara rehefa nikatona nanomboka ny 19 marsa 2020 misasak’alina noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus.

Fiaramanidin’ny kaompania Ethiopian Airlines no nisantatra izany.

Nigadona androany tolakandro tao amin’ny seranam-piaramanidina Fascene Nosy Be ny fiaramanidin’ny Ethiopian Airlines nitondra mpizahatany miisa 114. Niainga avy any Addis Abeba Etiopia ireto farany.

Araka ny fanazavan’ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary famantarana ny toetr’andro Randriamandranto Joel, dia manana tapakila mandroso sy miverina avokoa ireo mpandeha ekena hiditra eto Madagasikara.

Tsy maintsy manao fitiliana PCR izy ireo eo ampahatongavana, ary mihiboka any amin’ny hotely itoerany mandritra ny 48ora miandry ny valin’ny fitiliana natao azy.

Manao sonia taratasy fanekena ihany koa ny mpandeha tsirairay avy eo ampahatongavana, milaza fa hanaja fa ny fihibohana ary tsy mahazo mivoaka ny faritra Nosy Be, hanaja ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny tsimok’aretina Covid-19.

Manao fitiliana PCR indray koa izy ireo alohan'ny hiverenany any amin’ny tany niaingany. 72h mialoha ny hiaingana no anaovana io fitiliana io.

Any amin’ny desambra 2020 any ihany koa ny kaompania Air Link no hiverina hanohy ny sidina mampifandray amin’i Nosy Be.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.