Fanafihana mitam-basy: Lasan’ireo jiolahy ny vola 15 tapitrisa Ariary

  • jeudi, 01 octobre 2020 15:52
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nitrangana fanafihana mitam-basy taty Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ny alin’ny Alarobia hifoha ity Alakamisy 01 Oktobra ity.

Tokantrano iray ao Soamahatamana, Fokontany Verezambola no lasibatra. Toerana iray somary mivoakan’ny tanànan’Antsirabe amin’iny ilany atsimo iny izany.

Tsy voavohan’ireo jiolahy, izay nanao andiany maro, ny varavaran’ilay trano notafihina ka ny “grille de protection” teo amin’ny varavarankely no nesorin’izy ireo, ary teo no nidirany.

Ny vola avy hatrany no notakian’ireo jiolahy vantany vao tafiditra ny trano izy ireo. Lasan’ireo jiolahy ny vola 15 tapitrisa Ariary. Mpivarotra mpamongady ny lasibatra.

Nialoha an’io dia nanapoapoaka basy in-3 ireo jiolahy nandrahona ny manodidina no sady nitora-baro ireo izay namoha trano na nitsiritsirika azy ireo.

Tsy nisy ny maty na naratra nandritra ity fanafihana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.