Soavinandriana Itasy: Sarona ny tambazotra famotsiana taratasin'omby

  • jeudi, 10 septembre 2020 21:59
  • Sary: ZP

Tra-tehaka ny lehilahy iray, atidohan’ny famotsiana omby sy fanaovana taratasy hosoka.

Loharanom-baovao azo avy amin'ny olona tsara sitrapo no nijokoana azy tao Soavinandriana Itasy ny 07 septambra lasa teo, rehefa nanaovan’ny zandary velapandrika.

Mampiasa taratasin'omby ara-panjakana hosoka miisa telo izy ary ampiasainy izany isaky ny tsenan'omby ao an-toerana.
Rahefa natao ny fisavana ny tranony tany Morarivo Mananasy, sy ny fivantanany tao Soavinandriana, dia nahitana fitaovana fanaovana ny hosoka ary atontan-taratasy samihafa.

Voarohirohy ho mpiray tsikombakomba ihany koa ny olona 2 mpivarotr'omby manana patanty izay misoratra FIB hosoka monina ao Mananasy sy avy ao Anosilava Soavinandriana.

Omby miisa 3 no nogiazana avy hatrany amin'izao raharaha izao ka atolotra ny Fitsarana izay voarohirohy rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.