Soanindrariny-Antsirabe II: Ady lova, nahafatesana tovovavy 16 taona

  • jeudi, 10 septembre 2020 21:55

Nitrangana disadisam-piaraha-monina tao amin’ny Fokontany Fiherenantsoa, Kaominina Soanidrariny, Distrikan’Antsirabe faharoa ny alarobia 09 septambra 2020.

Ady lova no nipoiran’ny resaka, ary niafara tamin’ny fahafatesan’ankizivavy iray tokony ho 16 taona teo ho eo.
Olana teo amin’ny tovolahy iray sy ny renikeliny no niantombohan’ny resaka. Mifanolana matetika ireto olona ireto amina resaka lova.

Ny Alarobia tolakandro dia tonga tao amin’ny tranon’ny rainy ilay tovolahy hitady ilay renikeliny saingy tsy tao io fa ramatoa efa antitra iray no tao, ary io no norahonan’ilay tovolahy hovonoina ka niantso vonjy. Tamin’izay no tonga ilay renikeliny ary dia raikitra ny fifamaliana.

Namoaka zava-maranitra ilay tovolahy hifofo ny ain’ilay ramatoa renikeliny.
Niantso zandary avy hatrany ilay ramatoa. Vao maika naharomotra ilay tovolahy ny fahitana zandary, ary io indray aza no nohantsiany sy notolominy hakany ny basy teny aminy.

Teo indrindra no niseho ny loza satria nipoaka tampoka ny basy teny amin’ilay zandary ka nahavoa ny fen’ilay tovovavy 16 taona ka nitarika ny fahafatesany noho ny habetsakin’ny rà very.

Zazalahy kely iray hafa koa no naratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.