Mpitandro filaminana: « Gâchette facile », basy apoapoaka tsy amin’antony
- dimanche, 06 septembre 2020 12:32
Polisy, mpianadraharaha iray, miasa ao amin’ny Commissariat de Police Isotry no nitifitra ka nahafaty tovolahy sivily iray, izay namany niara-nikorana tamin’ny ihany. Voa teo amin’ny lohany ity farany.
Teny Isoraka-Antananarivo no niseho ny loza ny harivan'ny sabotsy 05 septambra 2020.
Nitolo-batana tany amin’ny lehibeny ilay Polisy taorian’izay. Notanana atao fanadihadiana ao amin’ny BC Anosy ilay nahavanon-doza.
Nanokatra fanadihadiana ihany koa ny IGPN (Inspection Générale de la Police Nationale) noho ny fahadisoana arak'asa nataon’ilay Polisy araka ny toromariky ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ity farany izay manaiky mihitsy ny fisian'ny fifampiarovana sy ny tsikombakomba eo amin'ny Polisim-pirenena raha misy Polisy mahavita heloka, izay mila iadiana izany hoy izy.
Nalefa ao amin’ny tranompaty HJRA Anosy ny faty.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.