Tsinjoarivo - Belobaka: Miaramila iray vaky loha nolakoin’ny Fokonolona

  • jeudi, 03 septembre 2020 20:32

Miramila iray no naratra mafy voafira famaky ny lohany. Nalefa haingana notsaboina ao amin’ny hopitalibe Tsiroanomandidy, rehefa avy nahazo fitsaboana vonjimaika tao amin’ny CSB2 Belobaka.

Miaramilan’ny RAS (Régiment d'Appui et de Soutien) eo Ampahibe Antananarivo, mamita iraka miaraka amin’ny « Bataillon Interarmes » na BIA Tsiroanomandidy, hampandry tany no nisekoseko.

Roalahy izy ireo no niaraka tao Soanafindra, Fokontany Tsinjoarivo, Kaominina Belobaka, Distrika Tsiroanomandidy.
Ny 1 septambra teo anefa dia nanapoapoaka basy izy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola nidaroka lehilahy iray mpampianatra avy ao Andranomangatsika indray koa nony tonga tao Mandrosoa.

Tezitra ny Fokonolona rehefa nahita ny herisetra nihatra tamin’ilay mpampianata ka nanohitra an’ireto miaramila ireto. Nanaovan’ny Fokonolona, nampian’ny Zazamena, angaredona izy roalahy.

Vaky loha voafira famaky tao anaty sakoroka ny iray tamin’ireo miaramila, izay manana grady kilasy faharoa.

Niditra an-tsetra ny Zandary nandamina, niaro sy nitondra ny maratra namonjy toeram-pitsaboana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.