Naina Andriantsitohaina: « Nisy fahatarana ny SAMVA tamin’ny fandraofana fako noho ny olana samihafa »

  • mercredi, 18 mars 2020 11:52
  • Sary nindramina

Niaiky ny fiverenan’ny fako miangona eto an-drenivohitra ny Ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina. Tranga izay nampitaraina ny mponina. Nahita maso mivantana ny zava-misy ny tenany rehefa nidina nijery tamin’ny toerana samihafa.

Raha ny fanazavany dia « nisy fahatarana kely ny SAMVA tamin’ny fandraofana fako noho ny olana ara-teknika samihafa ». « Noraisina ny fepetra », hoy i Naina Andriantsitohaina ary « efa manenjika ny fandraofana ny fako ny tompon’andraikitra ankehitriny ».

Nambaran’ny Ben’ny tanàna ihany koa fa haverina indray, afaka andro vitsivitsy, ny Asa tanamaro (HIMO) izay hanampy amin’ny fanadiovana ny tanàna sy hanome asa ny mponina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.