Vaovao

    • jeudi, 25 février 2021 16:55
    • Sary nindramina

    Paul Gérard ex-DG INSTAT : Voasambotra ny namono azy

    Nitafa tamin'ny mpanao gazety taty Ambanja omaly, ny lehiben'ny Fampanoavana ao amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany aty Ambanja. Nambarany fa misy vokany ny ezaka fikarohana ireo nahavanon-doza namono ny Tale jeneralin'ny Ivonteram-pirenena momba ny atontanisa (INSTAT) teo aloha Ravelomanantsoa Paul Gérard. Lehilahy efa nigadra taty Ambanja no anisany nahavanon-doza ary voasambotra. Mitohy ny fikarohana ireo namany. Raha tsiahivina dia notafihin'ny jiolahy mitam-basy, ny alin'ny zoma 19 febroary ny tokantranon'ity DG INSTAT teo aloha ity ao Maherivaratra, Kaominina farany avaratra ato amin'ny Distrika Ambanja, manaraka ny lalam-pirenena faha-6.
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 février 2021 16:30
    • Sary nindramina

    Asa akory koa ty raiky ty

    - Police : Manaja tompoko, permis azafady - Mpamily : Hein? Inona izany? Za ary vao mianatra- Mpamily : Auto école anie ity e, permis ahoana, anontanio io mpampianatra io ?- Nivadika atsy amin'ny mpampianatra ilay Police : Taratasy azafady- Mpampianatra: ity ny kara-panondroko de ity ny fahazoan-dalana mampianatra- Police : Ataoko inona izany, permis no ilaiko- Mpampianatra : Ataoko inona permis rasefo fa za angaha mitondra fiara ? Izy anie no mamily fa tsy za e- Police : Za aza hanianianareo fa aiza ny permis an? Aza tezitra Polisy fa mba atsikana kely fotsiny iny (Parodie). (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 février 2021 14:07
    • Sary Njaka

    Hetsika Analakely : 12 nidoboka amponja

    Nanamafy ny teo anivon’ny mpitandron’ny filaminana (EMMOREG) fa mandray andraikitra foana izy ireo amin’izay mety ho fandikan-dalàna na amin’iza na amin’iza, satria voafehin’ny lalàna avokoa ny olon-drehetra . Nanome fanazavana mahakasika ny zava-nisy teny ambohijatovo sy analakely tamin’ny Asabotsy lasa teo izy ireo. Voalaza araka izany fa olona miisa 12 no voasambotra, ka vehivavy ny iray tamin’ireo, ary nisy manam-boninahitra voasaringotra tamin’izany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 février 2021 11:28
    • Sary nomena

    FIZAFATO : Nitsidika an'i Toamasina ny filohany vaovao Député Jean Michel Henri

    Nandritra ny fandalovan'ny Filohan'ny FIZAFATO teto Toamasina, dia nasain'ireo Cadres avy amin'ny Faritany Toliara izay miasa sy monina eto Toamasina, niarahaba izy ireo noho ny fahazoan'ny FIZAFATO Filoha vaovao, sady nirary soa koa mba hahavita amin'ny fitantanana ity fikambanana ho an'ny zanak'i Faritany Toliara ity. Voaasa tao anatin'izay koa ireo Solombavambahoaka avy amin'ny Faritany Toliara izay tonga taty an-toerana. Jean Michel Henri, député lany tao Ambovombe Androy no sady Kestora voalohany ao amin'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, no voafidy hitantana ny FIZAFATO. Taorian'ny lanonana fandraisana amin'ny fomba ofisialy ireo mpianatra vaovao avy amin'ny Faritany Toliara eto amin'ny Université Barikadimy Toamasina izay nanasan'izy ireo ny Filohan'ny FIZAFATO, dia tonga nisaotra sy nankasitraka ireo Ray amandreny izay nanome voninahitra sy nanotrona ary namaly ny fanasan'izy ireo ny Mpianatra ao amin'ny MPIFATO TOAMASINA, tao anatin'izay no nanoloran'izy ireo marim-pahatsiarovana ho an'ireo Ray amandreny izay tonga taty an-toerana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 février 2021 12:27
    • Sary ZP

    Mpanafika taximoto : Jiolahy valo voasambotra, iray maty voatifitra

    Taximoto iray no nisy nandroba tao Antampon’Ampamoizamaso Distrika Andalimena amin’ny lalam-pirenena faha-3 ny harivan’ny 13 febroary 2021. Saron’ny Zandary tao amin’ny Fokontany Anony Kaominina Vohimena sy Fiadanana Kaominina Amboavory ao amin’ny Distrika Amparafaravola, toerana mifanila amin’ny Distrika Andilamena, ireo tompon’antoka tamin’izany. Sivy lahy no voasambotra. Nanao amboletra hitsoaka, nandritra ny fotoana hitondra azy ireo hiazo an’Andilamena, ny iray tamin’ireo voasambotra izay isany tompon’antoka tamin’io fandravana Taximoto io. Maty voatifitra io, rehefa tsy nety nampijanonina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 février 2021 12:01
    • Sary ZP

    Toamasina : Fanofana fiara hitondrana razana, nivadika ho halatra miaro vono olona

    Very ny fiara Mazda miloko volondavenona iray miaraka amin'ny mpamiliny. Nanao fitarainana tamin'ny Zandarimaria tao Toamasina ny tompony ny 25 janoary 2021 fa fiara nofain'olona hitondra razana ny 18 janoary niala tao Toamasina ho any Betampona, Distrika Mahanoro. Fotoana farany izay nahazoana antso azy ireo. Nahitàna razana iray tsy fantatra tany Mandalahy Kaominina Alakamisy-Ambohimaha Distrika Lalangina Faritra Matsiatra Ambony ny 04 febroary 2021, izay nomarinin'ny mpitory fa tena mpamiliny tokoa ilay razana ary efa nalevina. Natao ny fikarohana lalina ka tratra ny jiolahy iray izay mbola nitazona sy nampiasa ny findain'ilay mpamily maty. Io jiolahy io avy eo no namboraka ireo asa ratsy natao sy nanoro ireo namany namono ilay mpamily sy ny garazy misy ilay fiara, izay efa voaova loko ho mena fa tsy volondavenona intsony. Fantatra ihany koa fa tsy misy akory ilay hoe : razana ho aterina any Mahanoro.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 février 2021 11:37
    • Sary ZP

    Belo sur Mer-Morondava : Zandary iray lavo nandritry ny fifandonana tamin'ny andian-dahalo

    Lavo nandritry ny tranga fifandonana tamin'ny andian-dahalo mitam-piadiana ny Zandary iray miasa ao amin'ny Vondron-tobi-paritry ny Zandarimaria ao Morondava ny 16 febroary 2021 tamin'ny 5 ora maraina tao Antsira Kaominina Belo sur Mer, Distrika Morondava, Faritra Menabe. Olona roa (vehivavy sy lehilahy) ihany koa no nalain'ireo andian-dahalo natao takalon'aina. Nalain'ireo dahalo ny basin'ilay zandary lavo, saingy azo ihany niaraka tamin'ilay lehilahy takalon'aina iray rehefa nisy ny fanenjehana sy fifandonana lavareny. Baiko hentitra no nomen'ny Foibe fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena dia ny hanavotana ilay vehivavy takalon'aina iray sy ny hisamborana ireo dahalo nahavita izao loza izao. Nahetsika avokoa ireo Hery vonjy taitra rehetra manodidina hanao hazalambo any an-toerana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 février 2021 07:41
    • Sary ZP

    Tanakidy Manakara : Lehilahy roa maty tao anaty lavadrano

    Tovolahy iray, 17 taona, no latsaka tampoka tao anaty lavadrano tao Tanakidy ny alahady 14 febroary tokony ho tamin'ny iray ora tolakandro. Raha nahita izany ity miaramila tanora iray, 23 taona, "2e classe", avy ao amin'ny 2/RM2 Manakara, dia niditra hanavotra ilay zazalahy. Samy tsy tafavoaka anefa izy ireo, ary namoy ny ainy avokoa vokatry ny hasemporana.Nifanome tanana ny Fokonolona sy ny avy amin'ny Protection civile ao Manakara nampakatra azy ireo avy ao anaty lavadrano. Nalain'ny havany avy ny faty taorian'ny fitsirihana sy fanamarinana nataon'ny dokotera natrehin'ny Zandary, ary nototofana avy hatrany ilay lavadrano. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 février 2021 07:14

    Covid-19 : Fivoaran'ny antontan'isa

    238 ny tranga vaovao tamin'ireo 2458 nanaovana fitiliana teto Madagasikara ny 6 hatramin'ny 12 febroary 2021 : 139 Analamanga7 Vakinankaratra33 Atsinanana5 Analanjirofo1 Matsiatra Ambony2 Amoron'Imania2 Ihorombe4 Boeny5 Atsimo andrefana10 Anosy26 Menabe3 Diana1 "non identifié"
    Lire la suite ...
    • samedi, 13 février 2021 11:00
    • Sary ZP

    Tranovaho Beloha : Tratra ireo sokatra 810

    Araka ny tatitra nataon'ny Tale rejionaly momba ny ala eto Androy, izay niantso ny Zandary aty an-toerana, dia tamin'ny alakamisy 11 Febroary 2021 lasa teo dia nahazo vaovao avy amin'olona tsara sitrapo ny chef cantonnement n'izy ireo ao Beloha momba trafika sokatra, ka rehefa naheno izany ity farany dia nidina tany Benonoky kaominina ambanivohitra Tranovaho, Distrika Beloha niaraka tamin'ny lehiben'ny Distrika sy ny Ben'ny tanàna tany an-toerana. Rehefa nahita azy ireo moa ny olon-dratsy dia vaky nilefa ka sokatra 810 no azon'izy ireo tamin'izany. Efa eo ampelatanan'ny Zandary moa ny raharaha ary manohy ny fikarohana ireo olona nanangona ireo sokatra ireo. Efa naverina any amin'ny Parc ihany koa ireo sokatra. Hisy ny fihaonan'ireo tompon'andraikitra amin'ny fiandohan'ny herinandro io andaminana ny fomba fiasa ahafahana miaro ireo harem-pirenena ireo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 223