Tsiliva : Mpitari-posy ahiana ho mpanendaka amin’ny alina

  • mercredi, 28 octobre 2015 10:10
  • Zakaria
  • Photo Fournie
Nosamborin’ny polisin’i Toamasina i Jean Metiste na i Tsiliva, mpitari-posy malaza, ahiana ho mpanendaka olona amin'ny alina.
Maro ny fitarainana voarain’ny polisy fa misy mpitati-posy mitsikomba amin’ny jiolahy, manendaka amin’ny alina. Voatonona tamin’izany i Tsiliva. Voatondro ho mitazona fitaovam-piadiana ambalahana sy fanafody gasy ity farany.
Tsy nahitana an’ireo anefa teny aminy tamin’ny fotoana nisamboran’ny polisy azy. Notazomin’ny polisy anaovana fahadihadiana izy, ary mitohy ny fikarohana ireo heverina ho mpiray tsikombakomba aminy.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.