Nodimandry i Pierre Andrianantenaina.

  • mardi, 27 octobre 2015 08:49
  • Tigre
  • Photo: Sobika

Tamin'ny roa ora maraina ny alatsinainy hifoha Talata no nodimandry tao antranony eny Ambolokandrina i Pierre Andrianantenaina.

Fantatra tamin'ny tolona mavaivay izay nandraisany anjara hatrany na tamin'izy mbola lehiben'ny SECES mpampianatra mpikaroka teny amin'ny Polytechnique, i Piera Kely moa no nahalalan'ny maro azy fony izy nampianatra Beton armé, lehiben'Antoko Farimbona, nanana onjam-peo, mpitolona tamin'ny faha Hery velona, fototry ny tolona tamin'ny 2009, mpanolotsaina manokana tamin'ny tetezamita, ary mpikambana mavitrika tao amin'ny MAPAR.

Mirary fihononana ho an'ny fianakaviana ny ekipan'ny Sobika iray manontolo.

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.