Kere any atsimo : «Tena misy» hoy ny depioten’i Tolagnaro Ijo

  • vendredi, 23 octobre 2015 19:13
  • Zakaria
  • Photo Net

Tsy misy tokony hanafenana ny fisian’ny kere any atsimo hoy ny depioten’i Tolagnaro Ijo. «Inona no mahatonga ireo mpitatitra vaovao any amin'ny fitondrana foibe hilaza fa tsy misy zany kere zany any atsimo. Mety hofitadiavana ranondranony sy misolelaka no ao ambadik'izany», hoy izy manohy ny fanazavana. Tsara hoy ity solombavambahoaka ity raha manadihady any ifotony ireo haino aman-jery sy gazety an-tsoratra tsy miankina ahafantarana ny zava-misy marina, hialana amin’ny honohono.

Fa manaitra ny fitondrana ihany koa ny depiote Ijo fa efa enin-taona izao no tsy nanana kianja fanaovam-baolina ny tanora any Tolagnaro, taorian’ny nitrongisana ny ao Ampasamasay. Hampiantrano ny fifaninanana nasionaly amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly anefa ny DREN Anosy amin’ny taona 2016. Ho avy ao an-drenivohitry ny faritra Anosy ny mpianatra avy amin'ny DREN 22 manerana ny Nosy, nefa tsy misy ny foto-drafitr'asa handraisana an’izany.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.