CEPE - BEPC – Baccalauréat : Tsy misy ny fiovana datin’ireo fanadinam-panjakana

  • mardi, 04 mai 2021 07:43
  • Zakaria

Hiverina an-tsekoly ny mpianatra. Ireo kilasim-panadinana CEPE, BEPC ary BACC amin’ireo Faritra enina mihidy, ny kilasy rehetra ho an’ny faritra tsy mihidy.

Hanomboka ny alarobia 5 aprily 2021 ny fiverenana an-tsekoly hoy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle, notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitaleavana Nasionaly misahana ireo sekoly tsy miankina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao Anosy ny alatsinainy 03 May 2021.

Hisy naoty hivoaka, ary ho alefa any amin’ireo sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana manerana ny faritra 22 mahakasika ny fidiran’ny mpianatra amin’ny alarobia 05 May 2021, ary hisy ny lamina ho apetraka manoloana ny valanaretina.

Hafindra eny amin’ny EPP Analamahitsy ireo ankizy kilasim-panadinana ao amin’ny EPP-CEG Soamandrakizay, izay andraisana mararin’ny Covid-19.

Nivoitra tamin’izany valandresaka fa tsy misy ny fiovana amin’ny daty hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana hatreto (CEPE, BEPC, Baccalauréat) ho amin’ity taom-pianarana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.