Lemak’i Bas Mangoky : Hiarahana amin’ny orinasa arabo Elite Agro LLC ny fanajariana

  • vendredi, 09 avril 2021 20:07
  • Zakaria

Nomen’ny Filankevitry ny Minisitra, notanterahina ny alarobia 7 aprily 2021 alalana ny fananganana «Task Forces» handrindra sy handamina ny fanatanterahana ny tetikasa fanajariana ny lemak’i Bas Mangoky mirefy 60 000ha iarahana amin’ny orinasa Elite Agro LLC.

Hatao hampitomboana ny vokatra ara-tsakafo vokarina eto Madagasikara ity tetikasa ity mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny fanazavana.

Manana ny fahaiza-manao manokana io orinasa arabo io, ka izy no hampita izany sy hampiroborobo izany eto, ary ny vokatra vokarin’izy ireo dia hamidy amin’ny vidiny mirary eto amin’ny tsena anatiny avokoa ny 70% ary ny 30% kosa dia omen’izy ireo ny fanjakana malagasy maimaimpoana, hoy ny tati-baovao.

Ministera sy tompon’andraikitra maro no ifandrimbona ao anatin’izany « Task Forces » izany, ka ahitana ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono, ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny ministeran’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, ny ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro, ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana, ny orinasa SPM, ireo olom-boafidy any amin’ny faritr’i Menabe, ireo tompon’andraikitry ny faritra any Menabe izay voakasiky ny tetikasa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.