Ady amin'ny Covid-19 : Tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana Covid-19 etsy amin’ny HJRA sy etsy amin’ny CTC-19 Village Voara

  • jeudi, 08 avril 2021 08:54
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana Covid-19 etsy amin’ny HJRA sy etsy amin’ny CTC-19 Village Voara Andohatapenaka, ary maimaimpoana ny fanomezana taratasy fanamarihana ny fitiliana.

Iharan’ny fanasaziana ireo izay mitaky vola amin’ireo olona izay tonga manao fitiliana.

Anisan'ireo fanapahan-kevitra noraisin'ny Fitondram-panjakana izany nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny Alarobia 07 aprily 2021 ho fitsinjovana ny vahoaka manoloana izao ady iraisana handresena ny valanaretina Covid-19, izay misy eto amintsika izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.