Ady amin'ny Covid-19 : Maimaimpoana ny fanafody ho an’ireo marary eny anivon’ireo toeram-pitsaboana ara-panjakana

  • jeudi, 08 avril 2021 08:53
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Araka ny tapaka tamin'ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 07 aprily 2021 dia hisy ny lamina manokana handrindrana ny fitantanana ireo fanafody fitsaboana ny Covid-19, ka apetraka ny fanaraha-maso izany eny anivon’ny CSB II, CTC-19 ary ny Hopitaly.

Tsara marihana fa tsy tokony hividy ny fanafody natokana hitsaboana amin’ny Covid-19 toy ny « azythromicine, magnésium, vitamine C, lovenox, dexamethasone » ireo marary eny anivon’ireo Toeram-pitsaboana ara-panjakana.

Iharan’ny fanasaziana goavana ireo izay tompon’andraikitra mivarotra izany.
Ny fanafody fitsaboana aretina mitaiza sy ireo aretina hafa kosa dia ny marary ihany no miantoka izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.