Andreas Claude : Nodimandry androany teo amin’ny faha-74 taonany

  • mardi, 06 avril 2021 19:19
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nolazoin’ny aretina herinandro vitsy izay i Andreas Claude, filoha tale jeneralin’ny orinasa Soavoanio ao Sambava. Tao Sambava izy no tratry ny tsy fahasalamana, avy eo nakarina maika tamin’ny fiaramanidina manokana niazo an’Antananarivo nanohy ny fitsaboana tamina klinika tsy miankina.

Tsy tana anefa ny ainy androany 6 aprily 2021.

74 taona i Andreas Claude izao nodimandry izao.
Efa minisi-panjakana nisahana ny fambolena sy ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivolo izy tamin’ny governemanta Guy Willy Razanamasy.

Teo amin’ny sehatry ny fandraharahana no tena nahafantarana azy. Ny taona 1972 izy no nanangana ny orinasa Soavoanio ao Sambava. Manana hotely Las Palmas ao an-toerana ihany koa izy.

Maro ny andraikitra efa notanany fahavelony. Efa filohan’ny vondron’ny mpandraharaha tao SAVA izy. Efa filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Sambava. Efa filohan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany SAVA. Mambra ny Alliance Française Sambava…

Mpanolontsaina teknikan’ny Governoran’ny Faritra SAVA izy, izao nodimandry izao. Manana ny mari-boninahi-pirenena ambony Grand Croix de 2e Classe de l’Ordre National Malagasy.

Filoha mpanorina ny Lions Sambava i Andreas Claude, izay vao avy nankalaza ny faha-35 taona, ary Filoha teo aloha ny Distrika 417 Oseana Indiana an’io fikambanana io.

Hatokan’ny Soavoanio ho andro fisaonana ny alarobia 7 aprily 2021. Hisy fotoam-pivavahana ho fialantsasatry ny fanahiny hatao ao amin’ny foiben’ny orinasa, hisy koa boky volamena handraisana ny teny fankaherezana sy fampiononana ho an’ny fianakaviana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.