Bekofafa - Ihosy : Dahalo iray maty voatifitra

  • lundi, 05 avril 2021 19:45
  • Zakaria
  • Sary ZP

Notafihin’ny andian-dahalo mitam-basy ny tanan’i Beraketa Fokontany Bekofafa, Kaominina Mahasoa, Distrika Ihosy ny harivan’ny 1 aprily 2021. Omby miisa 34 an’ny mpiompy iray tao an-tanàna no nokedren’ireo dahalo ireo.

Nanohitra ny Kalony sy ny « Quartier Mobile ». Tonga avy hatrany ihany koa ny zandary avy amin’ny brigady Mahasoa vao nahazo fampandrenesana.

Dahalo iray maty tao anaty fifandonana, vaky nandositra ireo namany. Karohina ireto farany, fa fantatry ny Fokonolona ny anaran’ny roa amin’izy ireo.

Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby ; tsy nisy naratra ny mpanaradia.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.