Alatsinainin’ny Paka : Nangadihady ny plazy tao Nosy Be

  • lundi, 05 avril 2021 19:12
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nangina tsy nahitana mpitsangatsangana ny ankamaroan’ny tora-pasika ao Nosy Be ity Alatsinainin’ny Paka 2021 ity, toy ny tao Ambatoloaka, Madirokely, Dzamandzar, Andilana, Ampasindava, Befotaka ary Amporaha.

Mikatona tsy afa-mifandray amin’ireo Distrika manodidina i Nosy-Be noho ny valanaretina Covid-19. Nohalavaina 15 andro io fepetra io ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

Manara-maso akaiky ny fampiharana izany ny mpitandro ny filaminana tarihin’ny prefen’i Nosy-Be.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.