Kraoma : Mitohy ny fitokonana, mpiasa tsy misy mandray karama, ny mpitantana mijery fotsiny

  • jeudi, 18 février 2021 11:30
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Aman-taonany izao ny fitokonana eo anivon'ity orinasam-panjakana mpitrandraka Kraoma ity, ny mpiasa tsy voaloa ny karama, efa nitety an'ireo tompon'andraikitra rehetra, efa nilanja sora-baventy hatreny amoron-dalana mizotra mihazo ny tranon'ny Filoham-pirenena mihisy aza.

Efa ho lozitry ny rano sy ny masoandro aza ireo sora-baventy manemotra ny foiben-toeran'ny orinasa etsy Ampefiloha Antananarivo, fa toa lasa haingo nahazatra ny mpandalo ireto izy.

Tsy misy vahaolana aroson'ny fitondrana, ny Tale Jeneraly mpisolo toerana vonjy maika efa ho roa taona no teo, tsy hita izay fanapahan-keviny, fa toa voa maika kosa aza nampidi-kizo ny orinasa.

Ireo mpanara-maso ny fampiasam-bola, ny Bianco, ny ministera mpiahy samy tsy misy hita avokoa.

Itony anefa no orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany, izay tokony ho fototry ny fampandrosoana eto Madagasikara.

Tsiahivina fa an'ny Kraoma ny fahazoan-dalana mitrandraka ny volamena any Betsiaka Ambilobe izay misy 500 taonina volamena raha ny fandalinana ara-tsiantifika natao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.