Betamanga-Mahajanga : Zazalahy 4 taona, may notondrahan'ny dadatoany ravitoto mangotraka

  • mercredi, 17 février 2021 13:01
  • Zakaria
  • Sary nindramina

May mitondra takaitra ary hirifiry no iainan'ity zazalahy kely vao efatra taona monja ity, notondrahan'ny dadatoany, anadahin-dreniny ravitoto mangotraka mbola nitaingina teo ambony fatana.

Mpihavana, Mpifanolo-bodirindrina, monina eny Betamanga Fokontany Ambondrona izy mianakavy ireto, saingy efa nisy disadisa hatramin'ny ela noho ny resaka ady lova araka ny fitantaran'ny renin'ity zaza ity.

Afak’omaly, nifamaly tamin'ny vadiny ity rangahy ary nikasa hikasi-tanana am-dramatoa io ity farany, saingy nosakanan'ny olona. Ilay zaza tsy maninon-tsy maninona no notondrahan'ilay rangahy ravitoto mangotraka, ka izao may izao, may ihany koa ramatoa vadiny no sady naratra.

Tànana hatao famotorana ao amin'ny polisy misahana sy miaro ny Zaza tsy ampy taona ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity, ary atolotra ny Fampanoavana avy hatrany raha vao vita ny fanadihadiana azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.