Ambohijatovo : Hanao tatitra amin'ny Vahoaka ireo solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo

  • mardi, 16 février 2021 07:37
  • Zakaria

Nanao fampitam-baovao tao amin'ny pejy fesiboky Me Hanitra Ofisialy ny solombavambahoaka TIM voafidy tao Antananarivo I fa "Hihaona sy hanao tatitra amin'ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka ny solombavambahoakan 'i Madagasikara lany teto Antananarivo ny sabotsy 20 febroary 2021 ao Ambohijatovo".

Nambarany fa "tafapetraka tao amin'ny Prefet Antananarivo io ny alatsinainy 15 febroary 2021 io ny taratasy fampahafantarana izany".

Tsiahivina fa nanao fanambarana ny Prefen'Antananarivo ny herinandro lasa iny nilaza fa voarara avokoa rehefa mety hetsika politika rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.