Lozam-pifamoivoizina : Maty tsy tra-drano ilay mpamily Taxi...

  • samedi, 13 février 2021 19:22
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Zoma manjombona ny omaly 12 Febroary 2021 raha nahita ny lozam-pifamoivoizina mahatsiravina nitranga teto amin'ny Fokontany Soavinandriana Kaominina ambonivohitra Sambava.

Taxi niampita tampoka rehefa nahita mpandeha kanjo nisy kamiao nandeha mafy ihany koa ka tsy azo nialana ny loza. Voafaoka ny Taxi ary nipitika tao ambany kamiao ilay mpamily, ka maty tsy tra-drano.

Tovolahy mbola erotrerony satria manodidina ny 25 taona ary namela kamboty kely tokony ho 2 taona ilay mpamily.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.