Mahamasina sy ny manodidina : Olona miisa 2000 no tandindomin-doza, ary trano miisa 400 tafo no ahiana hianjeran’ny vato be

  • jeudi, 11 février 2021 21:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanentanana sy fanairana ireo olona tandindomin-doza eny amin'ny faritra ambanin’ny vato be Mahamasina sy ny manodinana ny BNGRC, ny Ministeran'ny mponina, ny CUA, ny avy amin’ny Corps de Protection Civile (CPC) ary ireo avy ao amin’ny Sapeur Pompier, androany Alakamisy 11 Febroary 2021.

Ahiana hirotsaka ny vato be noho ny oram-be mikija nandritra izay andro vitsivitsy izay, ary mbola hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro.

Nametrahana saina mena tamin'ireo toerana mety hampidi-doza. Mbola hitohy rahampitso ny fametrahana izany saina mena izany.

Olona miisa 2000 no tandindomin-doza, ary trano miisa 400 tafo no ahiana ianjeran’ny vato be sy ny riatra amin’ireo faritra mena ireo.

Nanao fanentanana ireo delegasiona ireo mba hialan’ny vahoaka monina eny amin’ireo faritra misy ny saina mena ireo dieny izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.