Toliara : Tratra ireo Thaïlandais roalahy hanondrana safira 08kg

  • mercredi, 10 février 2021 23:11
  • Tigre

Voasambotra teny amin'ny seranam-piaramanidina Toliara ireo Thaïlandais roalahy, ny talata 09 febroary tamin'ny 12ora atoandro, saika hanondrana safira hiakatra an'Antananarivo tamin'ny zotra fiaramanidina Tsaradia.

Rehefa nojerena ny bagage à main dia hita tao ny saphir karazany 2, maitso sy grenat izay milanja 08 kg 26g (08 sachets).

Nosamborina avy hatrany ireo, ary nentina ao amin'ny Police de mine Toliara.
Mitohy ny famotorana azy ireo amin'izao fotoana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.